Joba 25:1-6 MG1865 - Bible AI

1[Ny teny fanintelony nataon'i Bilidada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.

2Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin'ny avo Izy.

3Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan'iza no tsy ihoaran'ny Azy? [Na: Amin'iza no tsy iposahan'ny fahazavany?]

4Ary aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?

5Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.

6Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.

Public Domain
v>