Mpitsara 17:1-13 MG1865 - Bible AI

1[Ny nanaovan'i Mika sarin-javatra hivavahana] Nisy lehilahy tany amin'ny tany havoan'i Efraima, Mika no anarany.

2Ary hoy izy tamin'ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin'i Jehovah anie ny zanako.

3Ary rehefa naveriny tamin'ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an'i Jehovah mihitsy ity vola avy amin'ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.[Na: Efa natokako]

4Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon'i Mika izany.

5Ary nanana tranon'andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.[Heb. nofenoiny ny tànany]

6Tamin'izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin'ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.

7Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin'ny fokon'i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.

8Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin'izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika.

9Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin'izay azoko hitoerana.

10Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.

11Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy.

12Dia natokan'i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon'i Mika.Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.

13Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.

>