Salamo 10:1-18 MG1865 - Bible AI

1[Salamo abidy. Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho ny fireharehan'ny ratsy]Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana?

2Noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon'ny fahendrena nataony izy ireny.[Na: miolomay manenjika ny malahelo izy]

3Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.

4Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no tontalin-keviny.

5Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? [Heb. Mahery]

6Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.

7Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.

8Mamitsaka amin'ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.

9Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.

10Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.

11Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.

12Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.

13Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?

14Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.

15Torotoroy ny sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.

16Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny jentilisa.

17Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona etỳ an-tany.

18Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona etỳ an-tany.

Public Domain
/div>