Salamo 120:1-7 MG1865 - Bible AI

1[Fitarainana ataon'ny olona miara-mitoetra amin'izay tia ady] Fihirana fiakarana. Jehovah no nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy Izy,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka

3Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?

4Zana-tsipìkan'ny mahery sady voaranitra, Mbamin'ny vain'afon'anjavidy.[Izahao 1 Mpan. xix. 4]

5Lozako, fa mivahiny eto amin'ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain'ny Kedarita!

6Ela loatra izay no nitoeran'ny fanahiko teo amin'Izay tsy tia fihavanana.Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.

7Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.

Public Domain
/div>