Salamo 126:1-6 MG1865 - Bible AI

1[Fifalian'ny efa nampodin'i Jehovah, sy fifonana ho an'izay mbola babo] Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika. [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny.

3Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.

4Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any amin'ny tany atsimo.

5Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.

6Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.

Public Domain
/div>