Salamo 128:1-6 MG1865 - Bible AI

1[Ny hatsaran'ny tokan-tranon'ny olona matahotra an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.

3Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.

4Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.

5Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.

6Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.

Public Domain
/div>