Salamo 129:1-8 MG1865 - Bible AI

1[Ny hiafaran'ny mpandrafy an'i Ziona] Fihirana fiakarana. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.

3Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.

4Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy.

5Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an'i Ziona

6Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;

7Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany;Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo.

8Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo.

Public Domain
/div>