Salamo 29:1-11 MG1865 - Bible AI

1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin'ny kotrokorana] Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.

2Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina.

3Ny feon'i Jehovah no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny rano be.

4Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra.

5Ny feon'i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.

6Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.

7Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo;

8Ny feon'i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy.

9Ny feon'i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!

10Jehovah nipetraka teo ambonin'ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.

11Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.

Public Domain
/div>