Salamo 3:1-8 MG1865 - Bible AI

1[Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony] Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.

2Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.

3Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

4Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.

5Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.

6Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.

7Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao]

8An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao]

Public Domain
iv>