1
2Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?
3Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.
4Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.
5Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
6Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
7Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
8Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.