1
2Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
3Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
4Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.
5Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
6Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;
7Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
8Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
9Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
10Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
11Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
12Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.