1
2Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;
3Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.
4Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho,
5Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao.
6Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.
7Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.
8Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.