Salamo 67:1-7 MG1865 - Bible AI

1[Fanirian'ny olo-marina mba hanaiky an'Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;

2Mba ho fantatra etỳ ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.

3Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

4Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao;

5Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

6Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

7Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

Public Domain
div>