Salamo 76:1-12 MG1865 - Bible AI

1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny nisehoan'ny fitsarany marina] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany;

2Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.

3Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.

4Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin'ny tendrombohitra fitohàna.[Na: noho]

5Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.[Heb. nahita]

6Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.

7Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?

8Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,

9Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.

10Fa ny fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.

11Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.

12Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.

Public Domain
/div>