Salamo 82:1-8 MG1865 - Bible AI

1[Ny fitsaran'Andriamanitra ny mpitsara etỳ an-tany] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany.

2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?

3Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;

4Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy.

5Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra.

6Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra;

7Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny lehibe.Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.

8Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.

Public Domain
div>