1
2Ny vavahadin'i Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.
3Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan'Andriamanitra
4Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka teo.
5Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
6Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo.Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
7Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.