Salamo 88:1-18 MG1865 - Bible AI

1[Vavaka nataon'izay nasian'ny fahoriana mafy ka toa foin'Andriamanitra] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Ho an'ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no itarainako eo anatrehanao;

2Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao;

3Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.[Heb. Sheola]

4Natao ho isan'izay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;

5Efa nafoy ho any amin'ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.[Na: Ny fandriako dia any amin'ny maty]

6Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.

7Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.

8Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.

9Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan'andro aho, Mamefy tanana aminao aho.

10Haneho fahagagana amin'ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?

11Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin'ny fandringanana?

12Ho fantatra ao amin'ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin'ny tany fanadinoana?

13Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.

14Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?

15Ory aho ka efa ho faty hatramin'ny fahazazako; Raha itambesa-ran'ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;

16Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin'ny fampitahoranao aho;

17Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.

18Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.

Public Domain
/div>